Politique

Boaderozy any Singapour Mandainga ny fanjakana ?


  • Talata 02 Aogositra 2016

Tokony hijoro vavolombelona amin’ny maha ara-dalàna na tsia ny taratasy fanomezan-dalana tamin’ny fivoahan’ireo bolabolana andramena miisa 30.000 tratra tany Singapour ny volana febroary 2014 ny fanjakana eto Madagasikara.

Tsy hiditra intsony amin’io raharaha fanondranana boaderozy nampitsanga-menatra ny firenena Malagasy io anefa ny fitondrana, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Tontolo Iainana, ny Haivoary ary ny Ala Rabetaliana Hanta nandritra ny andro manerantany ho an’ny tontolo iainana ny 4 jona 2016. Raha tsorina dia hamela malalaka ny fitsarana singaporianina hiady irery amin’ny fitadiavana ny marina ny fanjakana Malagasy. Miankina betsaka amin’ny didim-pitsarana hivoaka ihany koa mantsy ny mety ho endriky ny fiaraha-miasa, araka ny fanamarihan’ity tompon’andraikitra eo anivon’ny minisitera ity ihany. Tsy nanisy resaka mihitsy mikasika azy io tamin’ireo manampahefana aziatika akory moa ny filoha Rajaonarimampianina Hery nandritra ny fitsidihana nataony tany an-toerana ny volana mey lasa teo. Nanome ireo fanampim-baovao mety ilain’ny fitsarana singaporianina hisian’ny mangarahara kosa anefa ny «Alliance Voahary Gasy», araka ny fanamarihan’ny filohany Ndranto Razakamanarina. Mitentina hatrany amin’ny 50 tapitrisa dolara moa ny vidin’ireo harem-pirenena Malagasy very an-javona fotsiny any ivelany ireo. Mahagaga ihany ilay fialan’andraikitra ataon’ny fanjakana Malagasy kanefa minisitra tao anay governemanta izao dia Atoa Anthèlme Ramparany fony izy minisitry ny tontolo iainana no efa nitarika delegasionina nankany Singapour ny volana desambra 2014. Mbola izy ihany avy eo no nandefa taratasy tany an-toerana ny fiandohan’ny taona 2015 fa ara-dalàna ireo bolabola 30 000 ireo. Herintaona taty aoriana anefa ny 10 janoary 2016 dia nandefa taratasy indray ny praiminisitra Jean Ravelonarivo fa tsy ara-dalàna ny taratasin’ireo hazo sarobidy mihitsoka ao Singapour ireo. Raha ny tokony ho izy dia mila alaina am-bavany sy atao fanadihadiana ireto tompon’andraiki-panjakana ambony teo aloha roa ireto satria azo antoka fa mahafantatra zavatra izy ireo.


 Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT