Politique

Bizin’ny Sinoa ao Soamahamanina Kaominina 4 sy alan-tapia hanjavona


  • Talata 21 Jona 2016

Tongotra mby an-dakana ny fitrandrahana volamena hataon’ny orinasa Jiuxing Mines SARL eny Soamahamanina, Distrikan’i Miarinarivo.

Manana ny taratasy ara-panjakana ahafahany miroso amin’izany ity orinasa sinoa ity, ao an-damosiny rahateo ny mpitondra fanjakana isan’ambaratonga sady nanome fahazoan-dalana rahateo. Latsaky ny 6500 ha, fetra feran’ny fehezan-dalàna mifehy ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany ihany koa ny faritra hitrandrahany. Haharitra efa-polo taona moa ny fitrandrahana volamena hataon’ity orinasa ity. Kaominina miisa efatra eo anelanelan’ny Distrikan’i Miarinarivo sy Arivonimamo no mety hanjavona miaraka amin’ny alan-tapia eo amboniny mandritra izay. Ala izay reharehan’Imamo, noho izy tsy hita afa-tsy ao amin’ny Distrikan’Arivonimamo sy Ambositra raha eto Madagasikara, ary firenena azo isaina amin’ny rantsan-tanana mba tsy hilazana fa tokana aman-tany no ahitana an’io hazo fihinamboa sady fototry ny fiompiana landy io. Tsy misy afa-tsy ny 3%-n’ny velaran-tany ao Arivonimamo ihany anefa no mba rakotra ala, ka alan-tapia ny ankamaroany. Ho tandindonin-doza anefa io kely mba ananany io noho ity fitrandrahana ity. Eo no mampitroatra ny vahoaka maro an’isa amin’io faritra io. Milaza izy ireo fa nofitahina tao anatin’ity raharaha ity, nisy nivarotra amin’ny vahiny ny tanin’izy ireo. Taratasy fahazoan-dalana hitrandraka efa eny am-pelatanan’ny Sinoa vao fantatry ny vahoaka fa tsy mba nakana mialoha ny hevitr’izy ireo. Ny Ben’ny tanàna moa no anisan’ny nahiahian’ny mponina amin’izany. Niaro tena mafy ity farany fa nandova zavatra efa tapaka tany aloha fotsiny ny tenany. Etsy an-kilany anefa dia hatramin’ny Vondron’Olona Ifotony (VOI) miaro ny alan-tapia aza nanaiky, toy ny fiarahamonim-pirenena sasany, ny hirosoan’ity fitrandrahana volamena ity. Misy sefom-pokontany efa nahazo fitaovana toy ny moto, bisikileta noho ity fitrandrahana ity. Misy koa olona eny an-toerana milaza fa tafiditra hiasa ao amin’ity orinasa sinoa ity, ary handray asa tsy ho ela ankoatra ireo efa manao asa fiambenana ny toerana itobian’ireo Sinoa. Misy anefa, ary tsy vitsy izy ireo, no mbola hiala nenina hanao izay tsy hirosoan’ity fitrandrahana volamena ao Soamahamanina ity. Nisy fihaonana tao amin’ny Fiangonana katolika ao Soamahamanina omaly. Nanangana komity miaro ny tombontsoan’ny vahoaka izy ireo, ahitana solontena isam-bohitra. Samy miandry ny rehetra, ny ho vokatry ny asan’izy ireo. Ny Fiangonana katolika, tamin’ny alalan’ny « Justice et Paix » etsy an-kilany dia mampirisika ny fifampidinihana am-pitoniana, tsy misy teritery na fandrahonana, hijerena ny olona sy ny mahaolona ao anatin’ity raharaha ity.


Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT