Politique

Biraom-pifandraisan’ny SADC Efa mijoro ara-dalŕna, hiasa amin’izay


  • Alatsinainy 13 Febroary 2012

Efa nanatitra ny taratasy ofisialy milaza ny hiasany sy hitoerany eto Madagasikara ny olon’ny SADC izay hiandraikitra ilay Biraom-pifandraisana, na “bureau de liaison”.

 Ny zoma 10 febroary teo no nihaona tamin’ny minisitry ny raharaham-bahiny, Pierrot Rajaonarivelo, teny amin’ny trano fiasany teny Anosy ireto solontenan’ny SADC ireto izay ahitana Tanzanianina, Zambianina ary Afrikanina Tatsimo. Araka ny fantatra dia hanana trano fiasana manokana mihitsy izy ireo fa tsy hoe hindrana birao etsy sy eroa na hanofa efitra any amin’ny hotely. Manomboka amin’ity alatsinainy ity ihany dia efa hiroso amin’ny fandinihana ireo kojakoja ilaina mba hampandeha tsara ny asa izy ireo, tahaka ny fitaovana ilaina amina birao sy ny mahakasika ny fifandraisan-davitra, ohatra.

Tsy zava-baovao moa ity fametrahana biraom-pifandraisan’ny SADC eto Antananarivo ity, fa dia efa voasoratra mazava ao anatin’ny tondrozotra, koa raha misy fifanolanana na tsy fifankahazoan-kevitra eo amin’ireo ankolafy politika maro samihafa momba ny fandikana ny tondrozotra, dia ny SADC amin’ny alalan’ity biraom-pifandraisana ity no manazava sy milaza ny tena dikan’ny voasoratra marina. Hita ihany mantsy fa misy ireo andininy sasantsasany izay lasa tena samihafa be mihitsy ny fahazoana azy, noho ny dika samy hafa avy amin’ireo mpanao politika. Fantatra ihany koa araka ny angom-baovao natao ihany fa hampiditra mpiasa teratany Malagasy ity biraom-pifandraisan’ny SADC eto Antananarivo ity. Raha ny tokony ho izy ihany koa izany dia tsy misy intsony ny fivoriana atao any ivelany momba ny krizy Malagasy sy ny famahana azy, satria sady efa an-dalam-pahatanterahana ny tondrozotra, no efa manana birao sy solontena miasa eto ny vondron’ny mpanelanelana iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny SADC. Hiasa avy hatrany amin’ity volana febroary ity moa ity biraom-pifandraisan’ny SADC ity.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT