Tonga namangy sy nitondra teny fampiononana ny fianakavian’i Tsiandopy Jacky Mahafaly teny Ivato ny birao foiben’ny antoko Tiako I Madagasikara, ny talata hariva teo.
Nitarika ny delegasiona teny an-toerana ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Hanitra Razafimanantsoa nahitana ny minisitry ny rano teo aloha Rolland Ravatomanga, ny depiote sady filohan’ny vondrona parlemantera Tiako I Madagasikara, Félix Randriamandimbisoa ary ny minisitry ny fitaterana teo aloha Laporte Ravelonarivo. Fantatra fa vao herinandro lasa no nifampiresaka tamin’ny filoha nasionalin’ny Antoko Tiako I Madagasikara, dia ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana i Tsiandopy Jacky ny amin’ny hanomanana ny kongresim-paritry ny antoko any Sava. Tsiahivina fa nisy namono ary hita faty nifatotra tao an-tranony i Tsiandopy Jacky, Minisitry ny Asam-panjakana sy ny asa sosialy tamin’ny fitondrana Ravalomanana, ny alatsinainy 31 jolay teo. Hanatanteraka kongresy ao Manakara ny antoko Tiako i Madagasikara rahapitso 3 aogositra 2017. Efa any an-toerana hatry ny omaly talata 1 aogositra ny filoha nasionalin’ny antoko Marc Ravalomanana sy ny mpikambana ao amin’ny birao politika, toy ny kestora fahatelon’ny Antenimieram-pirenena Guy Rivo Randrianarisoa. Nahazo alalana tamin’ny Kaominina ny fanatanterahana azy. Tafiditra amin’ny fankalazana ny faha-15 taona nijoroan’ny Tiako I Madagasikara ity kongresy kely ao Manakara ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.