Mpikambana iray ao amin’ny birao maharitry ny parlemantan’ny tetezamita no nanambara mazava, avy tamin’ny alalan’ny firesadresahana maharitraritra taminy fa amin’ireo olona tonga mangataka fihaonana ao amin’izy ireo ka voaray soa aman-tsara dia ny 70% n’izy ireo dia saika olona mitondra olana ho vahana avokoa.
Tafiditra ao anatin’izany, hoy izy, ny fangatahana fanaovana fanelanelanana amin’ny trangan-javatra manokana mihatra amin’ilay olona, ny fitadiavana asa, ny filazana olana ara-piaraha-monina samihafa ary indrindra indrindra ny fangataham-bola fanampiana fotsiny tsotra izao. Ny mpitondra ireny tapakila fanaovana asasoa samihafa ireny moa manginy fotsiny. Tsy misolontena ireo hafa aho, hoy izy, fa inoako fa tsy mifanalavitra amin’izay daholo no iainan’ireo namana mitovy andraikitra amiko.
Tsy maintsy mandanjalanja ny atao ianao, hoy ity parlemantera ity, fa raha tsy izany dia mety hifindran’ny aretim-pahantrana eo sanatria. Amin’ny olona ety ivelany, hoy izy, dia ny raiamandreny tokony hitarainana sy mpamaha ny olany ny parlemantera amin’ny ankapobeny fa voizina hoe mandray volabe. Raha ny mikasika ny toe-draharaha politika misy eto amin’ny firenena ankehitriny izay niompanan’ny ampahany betsaka tamin’ny resaka nifaovana tamin’ity tompon’andrikitra ity, dia tsy narisika ny hanoratana ny heviny an-gazety ny lehilahy fa hoe : mbola ao anatin’ny “trève” isika izao.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.