Ny teo ihany no eo ! Naverin’ireo mpomba azy amin’ny toeran’ny filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) ny jeneraly Dolin Rasolosoa.
Ny 60%-n’ireo mpifidy niisa 130 tetsy amin’ny Lapan’Anosikely omaly no nifidy azy ka nahazoany ny isa 78 tamin’ny vato nanankery. Kandidà roa no nifaninana taminy dia Atoa Lahiniriko Jean (UDR-C) nahazo ny vato 41 ary i Mosa Milasoa (Monima Uamad) nahazo ny vato 11. Tsotra sy fohy ny teny voalohany nambarany taorian’izany fahalaniana izany indray dia ny hoe : tokony ho hita taratra ny fiaraha-mientan’ny rehetra ato amin’ity rafitra ity na eo aza ny tsy fitoviam-pijery. Ilaina, hoy izy, ny fahaizana mihaino ny vitsy an’isa fa tsy ny didin’ny maro an’isa no hanjaka. Nambarany fa filohan’io andrim-panjakana mpanao lalàna io ny tenany fa tsy filohan’izay nifidy azy irery tsy akory na koa tsy filohan’ireo tsy nifidy azy. Marihina fa nametrahan’ny CST Manandafy Rakotoniriana fanamarihana ny tokony hijerena ny lalàna mikasika ny fifidianana ho atao vao miroso amin’izany, nefa dia raikitra ihany ny fifidianana taorian’izany.
Manaiky matoa niatrika ny fifidianana hoy ny fanamarihan’ny CST iray tao an-trano. Toa mpanangan-tanana sy mpitehaka no nahitana ireo CST ankolafy Ravalomanana ny maraina. Ny ankamaroan’izy ireo rahateo taraiky tany an-toeran-kafa mboa nivory manokana, tsy niditra an-trano raha tsy vita io fifidianana io. Teo amin’ny fifidianana filoha lefitra sy kestora ny hariva kosa dia teo avokoa izy rehetra ary dia nitohy ny anjara asa fitehafana sy fanolorana kandidà an’ny ankolafy hafa satria tsy nanolotra kandidà teo amin’ny toeran’ny filoha lefitra ny ankolafy Ravalomanana raha tsy tany amin’ny Faritanin’i Toliara nefa dia resy 64 noho 62 ny kandidà Rabenorolahy natolotr’izy ireo nifaninana tamin’i Maharante Jean de Dieu (TGV), rehefa nitsoaka an-daharana i Robert Razaka (HPM).
Saika tafaverina amin’ny toerany ireo filoha lefitry ny CST teo aloha, ankoatra ny an’ny Faritanini Fianarantsoa, izay olon’ny MDM sy ny an’i Toliara izay kandidan’ny TGV. Tafaverina amin’ny toerany kosa ireo kestora roa teo aloha samy olon’ny UDR-C dia Razafimily Constance, izay tsy nisy mpifaninana, sy Ravelonjato Bernard Anselme. Miharihary eto indray fa dia fitondrana taritokana no manjaka ao amin’ny birao maharitry ny CST, izay no vokatry ny fampiharana ny tondrozotra. Tsy nahatafiditra ho filoha lefitra tahaka ny tamin’ny fotoanandron’ny TIM Raharinaivo ny ankolafy Ravalomanana. Hitohy anio ny fifidianana ireo filoham-baomiera.
Ireo filoha lefitra : Lanto Rakotomavo (Antananarivo/TGV), Patrick Monibou (Antsiranana/TGV), Guillaume Gema (Fianarantsoa/MDM), Rajhonson Bruno dit Brun-Ly (Mahajanga/TGV), Roland Ratsiraka (Toamasina/MTS), Maharante Jean de Dieu (Toliara/TGV).
Kestora 1 : Razafimily Constance (Leader Fanilo) ; Kestora 2 : Ravelonjato Bernard (GLM)
Manohy
SARY : Teny Anosikely omaly
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.