Igagam-bahoaka ny Birao maharitry ny Antenimierandoholona voalohany amin’izao Repoblika faha-4 izao.
Ny Senatera Ahmad, minisitry ny jono sy ny harena an-dranomasina teo aloha sady filohan’ny Federasion’ny kitra Malagasy, dia efa nahoraka naneran-tany ho anisan’ireo komitin’ny FIFA nandray vola tamin’ny nifidianana an’i Qatar hampiantrano ny Mondial 2022. Niparitaka tamin’ny Internet sy ny tambajotran-tserasera facebook ny « vidéo » momba an’izany, izay nanehoany hatezerana. Voafidy ho mpikambana ao amin’ny Birao maharitry ny Antenimierandoholona, nandritra ny fifidianana natao omaly ho fampiharana ny fitsipika anatiny vao nankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana izy. Ny Senatera Andriamandavy VII Riana, minisitry ny fizahantany tamin’ny tetezamita ary lehiben’ny Faritra Matsiatra Ambony teo aloha indray dia manana dosie roa eny amin’ny Bianco, ary efa namoahan’ny “Chaine pénale anti-corruption” izay fitsarana manokana mitsara raharaha kolikoly, « mandat d’amener ». Voafidy ho filoha lefitra Faritany Mahajanga ihany koa moa izy, koa asa na mbola hifoha izany dosieny izany na dia efa naman’ny samy vita. Ny Senatera Kolo Roger, filoha lefitra Toliara, moa efa mazava fa tsy afa-bela aminy ny filohan’ny Repoblika. Efa praiminisitra sady minisitry ny fahasalamana izy. Ny Senatera Malo Benoit, filoha lefitra Toamasina indray dia dadatoan’ny talen’ny kabinetran’ny filohan’ny Repoblika Razafindrakoto Herisoa. Ity farany izay sady filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Seranan-tsambon’i Toamasina no filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Fanalamanga. Filoha lefitra voafidy omaly manampy azy ireo Randriambololona Mananjara (Antananarivo) sy Amido (Antsiranana). Mbola voatazona ho filohan’ny Antenimierandoholona tamin’ny alalan’ny tsangan-tanana moa ny Pr Rakotomanana Honoré. Kestora I, ny Senatera Abdirassoul Mohamed Mourad. Kestora II hanampy azy ny Senatera Andrianjaka Samson Coulzar. Mpitondra teny voalohany i Betiana Bruno, mpitondra teny faharoa Rasamoelina Brigitte. Fito ny vaomiera ao amin’ny Antenimierandoholona, ary nofidiana omaly koa ny filohany, dia Rafidiarison Jean Rémi Gabriel (vola, toekarena, tetipivoarana), Rakotovazaha Olivier (lalàna, asam-panjakana, asa, lalàna sosialy), Rason Vola Hanta (Fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra sy fotodrafitrasa), Rakotoseheno Zo Andriambola (Sosialy, kolontsaina ary serasera), Jeneraly Rehosevo (Fiarovana, filaminana), Thu Jaune Horace Mann (Fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana), Rajaonarivelo Pierrot (Fifandraisana iraisam-pirenena). Mbola banga toy ny eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny toeran’ny filoha lefitra avy amin’ny mpanohitra. Hifarana anio ny fivoriana manokan’ny Antenimierandoholona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.