Nahazo toerana roa eo anivon’ny Birao Maharitry ny Antenimieram-pirenena ny Ankolafy Ravalomanana, dia ny filoha lefitra ho an’ny Faritanin’Antananarivo, amin’ny alalan’ny solombavambahoaka Razafimanantsoa Lobo Hanitriniaina, voafidy tao Antananarivo I sady vavy tokana amin’ireo filoha lefitra enina voafidy omaly alahady 04 mey.
Manampy azy ny Kestora fahatelo izay hanara-maso ny fizotry ny asa eo anivon'ity andrim-panjakana ity, tamin’ny alalan’ny solombavambahoaka Randrianarisoa Guy Rivo voafidy tao Antananarivo V. Ho an’ny mpandinika politika dia santatry ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana izao tranga eny Tsimbazaza izao. Notanterahina omaly ny fifidianana ireo filoha lefitra enina sy ny kestora telo ary ny mpampakateny roa mandrafitra ny birao maharitra. Marihina fa dia kandida tokana avokoa tamin’ireo toerana rehetra nofidiana. Voahaja ny fifandanjan-kery sy ny fifandanjam-paritra ary taratry ny fihavanana sy fifamelana ireo kandida ireo satria samy voasolotena ny vondron-kery misy ao amin’ny Antenimieram-pirenena, hoy ny solombavambahoaka Rabenirina Jean Jacques voafidy tao Betioky Atsimo tamin’ny anaran’ny VPM MMM mivondrona ao amin’ny PMP manohana ny filoham-pirenena raha nanolotra azy ireo. Voafidy ho filoha lefitra amin’ny anaran’ny Faritanin’Antsiranana i Mahazoasy Mananjara Freddie Richard, depioten’Antsiranana 1 tamin’ny lisitra (MDM – UDI) ary mpikambana PMP. Ho an’ny Faritanin’i Fianarantsoa dia Atoa Andrianarivo Harimampianina Razakarivelo (PATRAM-UDI) ary mpikambana PMP, voafidy tao Ambositra. Ho an’ny Faritanin’i Mahajanga dia i Rémi dit Jao Jean, izay faninefany izao no voafidy ho depioten’Antsohihy ary voafidy tamin’ny lisitra VPM-MMM farany teo ary mpikambana PMP. Ho an’ny Faritanin’i Toamasina dia Razafindravelo Hermann (MAPAR) depiote voafidy tao Fenoarivo Atsinanana. Ho an’ny Faritanin’i Toliara dia i Helson Brisson Erafa (Vahoaka no Hery-GPS) voafidy tao Toliara II.
Tsy nisy tafaverina amin’ny toerany ireo mpikambana tao amin’ny Birao maharira voafidy tamin’ny 18 febroary
Voafidy ho Kestora 1 kosa Randrianasoloniaiko Siteny Thierry (Toliara Miaranga) voafidy tao Toliara I ary mpikambana PMP, Kestora faha-2 i Vanovason Jean Adrien (MAPAR) voafidy tao Vangaindrano. Neken’ny maro an’isa ho mpampakateny ankapobeny kosa i Liahosoa Malement (Hiaraka Isika) voafidy tao Ampanihy Andrefana sady mpikambana PMP, ary Mpampakateny lefitra Rabetafika Norovelomampionona Roberthine (VPM MMM) voafidy tao Isandra ary mpikambana PMP. Araka izany dia tsy nisy tafaverina amin’ny toerany ireo mpikambana tao amin’ny Birao maharira voafidy tamin’ny 18 febroary 2014. Hiatrika ny fivoriana ara-potoana voalohany ny solombavambahoaka manomboka rahampitso talata, ka mandritra io fotoam-pivoriana io no hifidianana ireo filoham-baomiera raha ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena vaovao, Rakotomamonjy Jean Max teo am-pamaranana ny fotoam-pivoriana omaly.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.