Distrika 101 amin’ireo 119 manerana ny nosy no nahavitana ny fanotana biletà tokana izay fiaraha-miasa amin’ny tranoprintim-pirenena ho amin’ny fifidianana kaominaly sy mpanolotsaina.
Ahitana kaominina miisa 1 430 ireo distrika 101 nahavitàna ireo biletà tokana ireo. Kaominina 265 no hovitaina ao anatin’ny herinandro, izay manana antontan’isa 2 tapitrisa biletà tokana. Mety tsy hisy ny fahataran’ny asa satria raha ny tetaindro napetraka dia tokony ho vita amin’ny 17 novambra izao ny biletà tokana rehetra ampiasaina manerana ny nosy. Ho an’Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina izany saingy ny ankoatra izay dia hovitaina mialoha izay daty izay. Ny 12 novambra moa no tetiandro voalohany napetraka fa hamitàna ny fanotana ireo biletà tokana kanefa iaraha mahalala ny isan’ireo biletà tokana natota satria fifidianana roa no natrehina, hoy hatrany ny CENI. Marihana fa ny 11 novambra lasa teo no nanomboka niala teto Antananarivo ireo fitaovana rehetra izay ampiasaina amin’ny fifidianana ka haparitaka manerana ny nosy ary hamantana any amin’ireo distrika tsirairay avy. Ireo distrika no heverina fa ho lavitra sy saro-dalana no nandefasana izany voalohany. Fitaovana izay ahitana kojakoja rehetra hampiasaina ho amin’ny fifidianana toy ny vata mangarahara miisa roa isaky ny birao fandatsaham-bato, ireo biletà tokana izay efa misy ny sarin’ny kandidà. Efa vonona ihany koa ny fitaovana hasiana voka-pifidianana sy maro hafa. Mifototra amin’ny herinandro faharoa ny fampielezan-kevitra ataon’ireo kandidà. Milamina hatreto saingy misy no minia manao tsy fanarahan-dalàna ka naharaisana fitarainana, hoy hatrany ny CENI.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.