Efa ela no nitakiana ny fampiasana ny bileta tokana voafaritra ao anatin’ny lalàna mifehy ny fifidianana eto Madagasikara, hoy Rakotovazaha Olivier, Sekretera jeneralin’ny antoko MFM.
Ny antony dia satria nandritra ny fifidianana maro teto amin’ny firenena ka nampiasaina ireo bileta isanisany ho an’ireo kandida izay mirotsaka hofidiana dia nanjaka hatrany ny fividianana sy ny fanimbana vato tamin’ireo mpifaninana. Tsy mbola mahafoana ny hosoka anefa ny fampiasana bileta tokana ankehitriny ary voaporofo izany tany amin’ireo firenena maro. Anisan’ny malaza indrindra amin’izany ny fampiasana vokatra simika ahafahana manala sy mampivoatra tsipika ao anatin’ny bileta tokana antsoina hoe “objet votant non identifié”, toy ny nitranga tany Mauritanie izay nahalany ny filoham-pirenena mitantana ankehitriny izay nitana ny laharana faha-5 tamin’ny fanadihadiana natao. Ampahany ihany io fa mbola misy karazany maro hafa, hoy ity tompon’andraikitra MFM ity. Manana andraikitra goavana amin’ny fanentanana sy fampahafantarana ny fomba fampiasana ity bileta tokana ity, araka izany, ireo kandida sy ireo mpanohana, ny CENI-T ary koa ny fiarahamonim-pirenena mba hisorohana ny tsy fanekena ny voka-pifidianana hivoaka eo.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.