Bileta tokana

> 33 ny kandida, 41 ny laharana


  • Sabotsy 24 Aogositra 2013

Tsy nisy antsapaka vaovao, notazonina ny laharan’ny kandida tamin’ny 08 mey 2013. Izay no marimaritra niraisan’ireo kandida filoham-pirenena niara-nivory tamin’ny CENIT omaly teny Alarobia.

Nizarazara be ihany ny hevitra toy ny hoe aleo averina ny fisarihana rehefa nisy niala. Nisy ny nitaky ny hitazonana ny vokatry ny antsapaka natao tamin’ny 08 mey satria efa nandany vola nanaovana akanjo sy famantarana samihafa ary efa nampahafantatra izany tamin’ny olona nandritra ny fitetezam-paritra nataon’ny kandida.  Nisy koa ny nanoso-kevitra ny hanaovana antsapaka amin’ny laharan’ireo kandida nesorina tsy hifaninana, ho an’reo izay tsy afa-po amin’ny laharany nandritra ny fisarihana tamin’ny volana mey. Naharitra ora roa mahery ny adihevitra ka taorian’ny tsangan-tanana dia tapaka fa tsy hisy antsapaka vaovao hatao intsony fa hotazonina ny efa vita. Hisy efitra 41 ka ho banga izany hoe hiloko fotsy ny efitra nisy ireo kandida nailika, izay niisa valo. Hisafidy amin’ny laharana faha-3 sy faha-21, laharan’ny kandida isany Jules Etienne sy Kolo Roger, nanolotra azy kosa ny kandida Hery Rajaonarimampianina. Ankoatra izay dia nomena fe-potoana hatramin’ny 26 aogositra ireo kandida raha te hanova ny sary amin’ny biletany. Ny 28 aogositra no halefan’ny CENIT hatonta atsy Afrika Atsimo ny lasitry ny bileta tokana hampiasaina amin’ny fifidianana hatao amin’ny 25 oktobra 2013 ny fihodinana voalohany.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT