Politique

BIANCO Tsy matahotra tsindry


  • Sabotsy 10 Desambra 2016

Manana ny lalàna tsara indrindra eto Afrika isika raha ny ady amin’ny kolikoly no resahana, hoy ny tale jeneralin’ny BIANCO (Bureau Indépendant Anti-Corruption) Andriamifidy Jean Louis nandritra ny fanamarihana ny andro iraisampirenena iadiana amin’ny kolikoly teny Anosy omaly.

Teboka iray manasarotra ny ady amin’ny fahalovana eto Madagasikara anefa ny fahantrana. Singa iray lehibe izy io tsy hisian’ny fampandrosoana eto amin’ny firenena. Antony 4 ihany koa no tsy mampahomby ny asa sahanin’ny Bianco, hoy hatrany ity tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly eto Madagasikara ity. Voalohany ny fahasahiranan’ny mponina amin’ny ankapobeny. Faharoa ny fitaovana tsy ampy ampiasaina amin’ny fanatanterahana ny asa. Fahatelo ny tetibola natokana iadiana amin’io tranga mamohehatra mikiky ny fiarahamonina efa mahantra io. Fahefatra farany kosa ny finiavana politika tokony hananan’ireo mpitondra fanjakana isan-tsokajiny fa tsy mijanona irery ho andraikitry ny filohan’ny Repoblika. Tsy mampihemotra ny Bianco rahateo ireo tsindry sy sakana samihafa azo avy amin’ireo olom-panjakana ambony, araka ny fanamarihan’ny lehiben’ny rafitra misahana ny ady amin’ny fahalovana Malagasy. Notanterahina omaly teny amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Anosy moa ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ady amin’ny kolikoly, asa izay hita fa mbola mila ezaka goavana be tokoa. Nanatrika ny fotoana ny masoivohon’i Etazonia Robert Yamate ary nanamafy fa manampy hatrany an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny kolikoly ity firenen-dehibe ity.

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT