Politique

Bianco Toamasina Nanaotao foana indray ?


  • Talata 30 Aogositra 2011


Taorian’ny famandrihana nataon’ny Bianco Toamasina sy ny olona niaraka taminy an’ilay zandary mpanao fanadihadiana nolazaina fa nanao kolikoly ary naka vola mihoatra ny tokony ho izy, nefa nohafahan’ny fitsarana ny alakamisy teo noho ny fisalasalana, dia tranga hafa indray nisiana fanadihadiana sy fanolorana mpandraharahan’ny fonja iray sy tompon’andraikitra iray ho nampiasa fahefam-panjakana sy fahefana nomena azy tamina fampidirana olona miandry fitsarana teny amin’ny hopitaly be, ny raharaha manaraka nahitana ny tsy fanarahana ny pitsopitson-dalàna sy ny didy aman-dalàna ary tsy fanajana ny zon’ny hadihadiana nataon’ny Bianco Toamasina.

Raha nisy ny fiakaran’ny raharaha teo anivon’ny fampanoavana sy ny mpitsara mpanao famotorana ny zoma teo, dia nolavina sy tsy manan-kery avy hatrany ny fitoriana natao rehetra. Raha ny sata manokana ny mpandraharahan’ny fonja, dia tsy maintsy misy ilay antsoina hoe : “acte de poursuite” atao vao azo henjehina amin’ny asa nataony izy ireo. Tsy nanaraka izany ny Bianco Toamasina, fa avy hatrany dia nanenjika sy nanao fanadihadiana. Ankilan’izay, momba ny fampidirana ny voafonja eny amin’ny hopitaly indray dia tsy miankina amin’ny mpandraharahan’ny fonja, fa miankina amin’ny mpitsabo izay ny fanjakana no manome azy amin’ny alalan’ny “inspecteur Toamasina I” manokana mizaha ireo voafonja ary faneken’ny tompon’andraikitry ny hopitaly be fanamarinana fotsiny ny an’ny mpandraharahan’ny fonja sy ny fampanoavana ary ny mpitsara mpanao famotorana mihazona ny antontan-taratasin’ilay voafonja.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT