Mbola mandeha ny fingampingana ara-politika atao aty aminay aty Betroka, hoy ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas voafidy tany amin’ity Distrika iray any Anôsy ity.
Soketain’ny mpifanandrina politika amiko ho mpamita-bahoaka sy tsy itokisan’ny filohan’ny Repoblika intsony ny tenako, hoy izy, raha nanentana vahoaka hiakatra tao an-drenivohitry ny Distrika ny 19 jona teo, mba handray ny vadin’ny filoham-pirenena, Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina araka ny fandaharam-potoana, nefa tsy tanteraka izany noho ny fandaminan’ny mpiandraikitra ny diany izay naheno ny tsaho sy feo ratsy avy amin’ny mpanao politika any an-toerana. Ambarako, hoy ny solombavambahoaka Jean Nicolas fa tetika politika ho fampiadiana ahy amin’ny filoha Rajaonarimampianina no voizina any Betroka ary koa fandrangitana ny vahoaka hikomy sy hankahala ny tenako. Tsoriko anefa, ho ihany ity depiote ity, fa tsy hampiova ny fifandraisako amin’ny fitondrana izany ary inoako fa tsy handairan’ny fandotoan-tsaina ataon’ny sasany ny filoham-pirenena mivady ka hatoky ny vahoakan’i Betroka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.