Politique

Betroka, Kaominina Antananarivo «Tsabahan-dRajoelina avokoa», hoy i Lalatiana Ravololomanana


  • Sabotsy 15 Septambra 2012

Ny fihetsik’i Andry Rajoelina amin’ny raharaham-pirenena ankehitriny dia mampiseho fa fanjakan’olon-tokana sy didy jadona no misy eto amin’ny firenena, hoy i Lalatiana Ravololomanana.

 Nambarany fa tena diso tafahoatra ny fitsabahan’ny filohan’ny FAT amin’ny fitantanana ny Kaominina ka nampiala amin’ny toerany ny Talen’ny kabinetran’ny PDS. “Tsy ny fametraham-pialana na koa ny fanesorana ny kaomisera Rabearisoa Alexandre no zava-dehibe fa ny antony nampiala azy. Nampihatra ny lalàna ny Talen’ny kabinetra ary tsy nanavahany olona izany. Rehefa tsy nanana taratasy fahazoana manototra tany ilay fiara dia naiditra fourrière. Angaha rehefa an’ny filohan’ny FAT ilay tany nototofana dia avela amin’izao ? Tsy vitan’izay fa mbola anamparana fahefana koa ny mpiasam-panjakana manao ny asany”, araka ny teny nataon’i Lalatiana Ravololomanana. Ankoatra io dia nomelohin’ity mpitantana fahiny ny Kaominina Antananarivo ity ny fandraisana fanapaha-kevitra izay toa te hiseho ho mahavita azy samirery ataon’i Andry Rajoelina momba ny raharaha Betroka.

“Anjaran’ny filankevitry ny governemanta sy filankevitry ny minisitra no mametraka ny paikady sy ny laminasa iatrehana ny asan-dahalo any atsimo. Tsy hoe rehefa mankany akory izy te hiseho ho Zorro dia voasambotra Remenabila. Mazava fa tsy misy ny fiaraha-mitantana na dia niditra anaty fanjakana aza ny ankolafy Ravalomanana sy ny Monima”, araka ny fanehoan-keviny hatrany. Mitaky ny fampiharana ny andininy faha-30 ao amin’ny tondrozotra izany manambara ny tsy mampanan-kery intsony izay fanapahan-kevitra rehetra noraisin’ny FAT talohan’ny 17 septambra 2011 ny tenany.

Tanterahana ny diniky ny samy Malagasy araka ny andininy voalohany ao amin’ny tondrozotra avy eo ka ao anatin’izany no ananganana tetezamita tena iarahana ahafana manomana fifidianana idirana amin’ny Repoblika vaovao. Eo anatrehan’izay indrindra dia manao antso avo amin’ny FFKM izy mba handray an-tanana amin’izay ny raharaha fa tsy “hampifilafila akory sanatria”. Mitodika amin’ny mpanohitra izay manana tanjona iraisana kanefa samy mandeha samy mitady koa ny tenany mba hanambatra ny hery amin’izay. Aoka izay hoy ity vehivavy mpanao politika mahery fitenenana ity ny hetsika atsangan’ny vondrona sy ankolafina mpanohitra isan-kazany fa andeha hanatanteraka fikaonan-doha iraisana hampitoviana ny fomba fijery.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT