Efa fotoana elaela ihany izay no niparitahan’ny resaka valifaty sy fifamonoana any amin’ny faritra atsimo atsinanana sy Anosy iny.
Ankehitriny dia manamafy ireo lonaka avy amin’ity faritra ity fa tena misy ny ady. Tsy mandry mihitsy ny tany ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana ao noho ny afitsoky ny asan-dahalo. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana dia mifamono ny zana-poko samy Zafindravala ka efa mahatratra an-jatony ireo maty. Hatramin’izao dia mbola sarotra ny fanamarinana ny isan’ny maty noho ny maha lavitra andriana ny toerana. Ny azo antoka dia misy ilay fifamonoana. Ny talata teo dia niady nifamono ny mponina tao amin’ny tanànan’i Beharena eo anelanelan’i Ranotsara atsimo sy ny distrikan’i Befotaka ka efa nahatratra am-polony maro ny isan’ireo maty. Ady an-trano vokatry ny halatra omby no niantombohan’ny tantara. Ary satria moa efa samy tsy misy mahatoky ny fitondram-panjakana misy intsony noho ny tahotra ny kolikoly dia samy manao fitsaram-bahoaka izay very fananana ka miafara amin’ny fifamonoana izany, araka ny fanazavana nomen’ny lonaka lehiben’ny dina avy ao Betroka. Tsy tao Beharena irery izay marihina fa iray amin’ireo tanàna nisy an’i Remenabila fa tao amin’ny distrikan’i Betroka ihany koa. Zafindravala avy ao Andranomiforitra no miady sy mifamono amin’ny mponina ao Andranomena, Ranotsara atsimo. Izany tranga rehetra izany dia porofo avokoa ny tsy fahatokisan’ny vahoaka ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana intsony. Izay no ilazana fa tsy voafehin’ny mpitondra ankehitriny intsony ny fahefana fa teren-ko masaka toy ny voalobo-jaza fotsiny sisa ny fitantanan-draharaha eto.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.