Semban-drahona ny CLD 2016 any amin’ny distrikan’i Betioky Atsimo, faritra Atsimo Andrefana, hoy ny olobe any an-tanàna.
Tsy hisy tohiny ny ho avy amin’ity resaka ity, hoy izy ireo, fa nidiran’ny dahalo manam-pahefana am-birao ny fampandrosoana ny distrikan’i Betioky Atsimo. Tsy tanteraka ny fanolorana moto 20 ho an’ireo ben’ny tanàna any an-toerana noho ny tahotra ny PRMP. Nitsabaka be loatra tamin’ny andraikitry ny depiote am-perinasa ny minisitry ny kolontsaina Malagasy izay depiote ihany teo aloha. Tany lavitra Andriana, tsy misy mpijery izahay aty, hoy ireo raiamandreny olom-boafidy sy olom-boatendry any amin’iny distrika iny. Mangataka izy ireo ny hisian’ny fifanazavana amin’ny haino aman-jery hifanaovan’ny minisitry ny kolontsaina am-perinasa sy ny depiote any Betioky Atsimo mba ho fantatra marina ny mampikatso ny fampandrosoana any an-toerana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.