Politique

Betampona-Fenoarivo Atsinanana Niova tampoka ny anaran’ny ben’ny tanàna


  • Talata 14 Janoary 2020

Rakoto Justin dit Ralonga, kandida miaraka amin’ny antoko Tia Tanindrazana tao amin’ny kaominina Betampona Fenoarivo Atsinanana no efa notononin'ny Fitsarana ao Toamasina fa lany ho ben’ny tanàna,

 

 

 

 araka ny fanambarana ofisialy tamin'ny alarobia 08 janoary lasa teo. Omaly alatsinainy anefa, dia gaga ry zareo raha nahita fa ny kandida tsy miankina Serge Bezaka indray no vosoratra fa lany anaty peta-drindrina, hoy ny fampitam-baovao. Diso tsipelina tahaka ilay kandida tsy tafiditra tao amin’ny bileta tokana tamin’ny fifidianana sa fanahy iniana novaina tsotra izao ny anarana ? Manahy Rakoto Justin sy ireo mpanohana azy sao misy zavatra hafahafa, eny mety kolikoly mihitsy aza ao ambadik’izao fanovana anarana tampoka izao. Andrasana ny fanazavana ofisialy avy amin’ny tompon’andraiki-panjakana eo anatrehan’ity toe-draharaha ity. 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT