Ny Distrikan’i Betafo sy Mandoto ao anatin’ny Faritra Vakinankaratra ary ny Distrikan’i Miandrivazo, Faritra menabe.
Ireo indray omaly no toerana notetezin’ny kandidan’ny antoko Avana ary tohanan’ny ankolafy Ravalomanana, nanohizany ny fampielezan-kevitra sy namelabelarany ny fandaharan’asany ary koa nanentanany ny mpifidy handatsa-bato ho an’ity kandida laharana faha-33 amin’ny fifidianana filoham-pirenena ity. Niara-dia taminy hatrany i Neny Lalao Ravalomanana. Tsy nahasakana ny vahoaka ho tonga maro ny andro ratsy sy rotsak’orana. Vahoaka an’alin-kisa no tao Miandrivazo, liana tamin’ny fandaharan’asany ary hita fa efa maika ny hifaranan’izao tetezamita izao. Niditra nivantana tamin’ny antso an-tariby hatrany ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Fanamby no ataontsika amin’ny fifidianana, hoy izy, dia ny handany ny Dr Robinson Jean Louis, fa izay ihany no mampody ahy. Antenaiko fa hifidy azy ianareo, hoy hatrany ny filoha Ravalomanana nanentana ireo mpiara-dia aminy. Hihazo ny lalam-pirenena faha-3 Andriapamaky, Ankazondandy mipaka any Anjozorobe ny kandida sy ny delegasiona avy amin’ny ankolafy Ravalomanana anio.
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.