Besady

> Kandidŕ depiote ao amin’ny Boriborintany voalohany


  • Alakamisy 24 Oktobra 2013

Rehefa niara-niasa an-taonany maro tamin’ireo mpanao politika samihafa manerana ny Nosy dia tapa-kevitra ny nirotsaka ho kandidŕ solombavambahoaka ao amin’ny Boriborintany voalohany eto Antananarivo Renivohitra ny mpandraharaha mpanao politika Mamodehoussene Irsade na i Besady ho an’ny fahafantaran’ny maro azy.

Laharana faha-22 ny lehilahy ao amin’io Boriborintany voalohany io araka ny antsapaka nataon’ny CENI-T. Efa betsaka ny asa natao niaraka tamin’ny mponina tao amin’ity Boriborintany ity ary mbola tohizana hatramin’izao ka nahafantaran’ny olona ny tena, hoy ny kandidà Besady, ka mendrika ny harovana izany rehetra izany amin’ny fanolorana tolo-dalàna hampanjariana maharitra ny fiahiana ara-tsosialy ny vahoaka tena sahirana dia sahirana ankehitriny, ny fampitaovana ny tanora mpanao fanatanjahantena ary ny fampiroboroboana ny fihariana amin’ny maha mpandraharaha azy eo amin’ny sehatry ny fitaterana. Hodinihana ireo lalàna hampandroso vahoaka nefa tsy azo avela koa ny fijerena ny sosialim-bahoaka efa nahazatra hatrizay, hoy ny kandidà Besady.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT