Politique

Beriziky Omer Notsipahin'i Zafy tanteraka


  • Talata 22 Novambra 2011

Omaly ihany dia naneho hevitra ny filoha Zafy Albert. Tamin'izany no nilazany fa tsy izy io governemanta natao an-terisetra io.

 Nilaza ihany koa izy fa tsy hanaiky velively ny governemanta hajoro amin'izao fihetsiky ny FAT izao. Etsy andaniny dia namaly izany ny praiminisitra Omer Beriziky fa efa dodona ny vahoaka satria efa mijaly loatra ka tsy afaka miandry intsony. Raha izay no zava-misy dia mifanipaka tanteraka manomboka omaly ny filoha Zafy sy ity praiminisitra ity. Ho tapaka ve izany ny tady eo amin'ny roa tonta ? Hentitra dia hentitra mantsy ny filoha Zafy omaly. Mbola ho ela vao hivaha ny olana eto Madagasikara raha izao zava-misy izao. Mbola manohy ny fomba fanaony teo aloha mandeha irery hatrany ny FAT. Ireo olon'ny firehana roa Zafy sy Ravalomanana no mody alaina dia lazaina fa hoe tetezamita iraisana. Mitovy tamin'ny fanendrena ireo mpikambana tao amin'ny GMMR ihany. Tsy nisy vokany anefa izany fa fandaniam-potoana fotsiny. Dia ho hita eo indray ny vokatr'ity omaly ity.
Solonirina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT