Nitondra fanazavana mikasika ny feo re sy ny resaka mandeha fa ny praiminisitry ny tetezamita iraisana, Jean Omer Beriziky no kandida tohanan’ny antoko UNDD (Union Nationale Pour le Développement et la Démocratie) amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy, ny Sekretera jeneralin’ny antoko Manoro Régis.
Nilaza ity farany fa « tsy mbola nisy birao politika na kongresy nasionaly na filankevitra nasionaly nataon’ny antoko nanapaka mikasika ny fifidianana ho avy ». Tsy midika anefa izany, hoy ity minisitry ny fanabeazam-pirenena tamin’ny tetezamita ity, fa tsy hanohana fa tsy mbola nisy fanapahan-kevitry ny antoko, na dia ambarany aza rehefa manao fitsidiham-paritra i Jean Omer Beriziky fa izy no kandidanay. Nanipika mazava anefa i Pr Manoro Régis fa ny UNDD dia tsy hanao « politique de la chaise vide », fa handray anjara hatrany amin’ny fifidianana. Hiseho amin’ny endrika maro ny fandraisana anjara . Mety hanohana olona avy ato anatiny, mety hanohana olona ivelan’ny antoko na hiaraka amin’ny antoko hafa. Nampahatsiahy indray ny foto-kevitr’ity antoko naorin-dry Pr Zafy Albert ity i Pr Manoro Régis, ka nilaza fa tsy hisy zavatra handeha eto raha tsy misy fampihavanam-pirenena tena izy. Izy ihany no manamarika fa hatramin’izao aloha tsy mbola hita ny fandehan’izay zavatra izay. Miteny foana izahay, hoy ity Sekretera jeneralin’ny UNDD ity fa ny fitantanana ny raharaha eto Madagasikara dia tsy vitan’olona iray na vondrona iray na antoko politika iray fa tsy maintsy zavatra ifanarahana ny fitondrana. Izay no tsy nidiranay tamin’ny tetezamita raha tsy nisy fifanarahana. Koa tokony hisy fifanatonana, tokony hisy fifanarahan’ny hery politika rehetra eto amin’ny firenena mba hialana amin’izao zavatra misy eto amin’ny firenena izao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.