Politique

Beriziky Jean Omer Tsy mahafeno ny fepetra maha praiminisitra iraisana intsony


  • Alakamisy 30 Mey 2013

Nandrandraina hitondra fitoniana sy filaminana ny fananana praiminisitry ny marimaritra iraisana avy amin’ny mpanohitra tamin’ny alalan’i Beriziky Omer.

 Samy diso fanantenana aminy avokoa anefa na ny ankolafy mpanohitra na ny mpanohana ny fitondrana. Ny profesora Zafy izay nanolotra azy aza efa matetika manakiana ny fitantanany. Ho an’ny mpanohitra dia malemy loatra ity praiminisitra ity satria na minisitra eo ambany fahefany aza tsy voafehiny, tsy ananany fahefana. Raha nitaky ny fanokafana ireo haino aman-jery mikatona ny ankolafy Ravalomanana izay nandefa delegasiona nihaona taminy dia nilaza izy fa mbola horesahana amin’ny minisitry ny serasera izany. Tsy mbola hita izay vokany hatramin’izao. “Tsy manantena na inona na inona aminy intsony aho”, hoy Ralaimampisainarinony Manoela avy amin’ny ankolafy Ravalomanana omaly. Ity farany izay anisan’ny nandrafitra ilay delegasiona.

Mihazohazo tsy mety manolo ireo minisitra tsy ilain’ny ankolafy nanolotra azy ireny koa ny tenany ary tonga amin’ny adiny amin’ny antoko Monima mihitsy izany ankehitriny. Nifampitory mihitsy moa ny roa tonta noho ilay resaka fanoloana ny minisitry ny angovo sy ny minisitry ny fanatanjahantena nokasain’ny ekipan’i Monja Roindefo tamin’ny herinandro lasa. Resabe fotsiny ilay filazana fiaraha-mitantana fa fifampiandrasana kendry tohina indray no toa manjaka. Tsy mety mitovy hevitra mihitsy amin’ny filohan’ny FAT koa ny tenany amin’ny fitantanana ny fahefana mpanatanteraka ary anisan’ny mahatonga ny faharetan’ny tsy fivahan’ny olana izany. Sao fotoana tokony handravana ny governemanta koa izao ?
Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT