Politique

Beriziky Jean Omer Namela vary mangatsiaka


  • Alakamisy 17 Aprily 2014


 Lasa namela vary mangatsiaka ny praiminisitry ny tetezamita Beriziky Jean Omer. Tsy nahasokatra na dia iray tamin’ireo radio nakaton’ny Fahefana avon’ny tetezamita izy. Maro ireo sesitany politika noho ny raharaha 2009 tavela any andafy sakanana tsy hiverina, toy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Mbola misy gadra politika 22 tavela any am-ponja. Voasoratra mazava ao anatin’ny tondrozotra, izay efa lasa lalàna tsy maintsy tanterahina anefa ireo.

Fa nahazo vahana ihany koa ny fitsaram-bahoaka tao anatin’ny roa taona sy tapany naha tao Mahazoarivo an’i Beriziky Jean Omer. Nirongatra tsy voafehy ny trafikana “bois de rose”, nihanaka ny andiam-balala ary niakatra ny renivohitra mihitsy, nanjaka ny gaboraraka sy ny kolikoly, nirongatra ny halatra omby arahina vono olona, miparitaka ny vola sandoka … Na izany aza vita ny fifidianana nivoahana tamin’ny krizy, ary ireharehan’ny praiminisitra teo aloha.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT