Politique

Beriziky Jean Omer Haverina eny Mahazoarivo ?


  • Sabotsy 27 Febroary 2016

Manomboka resahina eny anivon’ny etamazaoro politika maromaro indray tato ho ato ny anaran’i Beriziky Jean Omer.

 

 Mifanontona amin’ny fotoana isian’ny adihevitra amin’ny tokony hanoloana ny praiminisitra lehiben’ny governemanta no ivoahan’ny anaran’ity praiminisitry ny marimaritra tamin’ny tetezamita (2011-2014) ity. Maro no mihevitra fa tsara toerana i Beriziky Jean Omer raha haverina eny Mahazoarivo. Eo ny traikefa ananany, indrindra fa tamin’ny fotoana nampafana ny fifandroritana politika teto Madagasikara no nitantanany ny governemanta. Tombony ho azy koa, hoy ny mpanadihady politika, ny fankatoavin’ny sehatra iraisam-pirenena azy, sy ny ankolafy politika samihafa eto Madagasikara. I Beriziky Jean Omer rahateo moa diplaomaty, efa niasa naharitra tany Eoropa, manana fifandraisana amin’ny firenena eoropeanina maro, ka tsy hampanano sarotra azy ny hanamafy sy hanatsara izany fifandraisana izany. Maro no miombon-kevitra fa tsara toerana i Beriziky Jean Omer raha misy fanoloana praiminisitra hananganana governemanta vaovao. Ny filohan’ny Repoblika ihany moa no tompon’ny teny farany amin’ny hanovana na tsia ny governemanta, manoloana ny tsikera mivaivay ataon’ny mpanao politika sy olom-pirenena maro miantefa amin’ny praiminisitra am-perinasa Ravelonarivo Jean noho ny tsy fahombiazany, fa toa lasan-ko vavany fotsiny.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT