Tany tan-dalàna i Madagasikara, ka tsy maintsy hajaina, ampiharina sy iainan’ny rehetra ny lalàna velona misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana, hoy ny fanambaran’ny mpitarika antoko politika maromaro omaly, nahitana an’i Hajo Andrianainarivelo, Omer Beriziky,
Hery Raharisaina, Andriamanjato Ny Aina R, Saraha Rabearisoa, Eliana Bezaza, Francine Ratsimbazafy. Mitaky amin’ny governemanta ny hamoahana ny datim-pifidianana izy ireo. Tsara ny manamarika fa kandida sy mety ho kandida amin’ny fifidianana filoha ny sasany amin’izay ireo. Nisy ihany koa ny hafatra miantefa amin’ny Vaomiera Mahaleotena misahana fifidianana na ny CENI manao hoe: “Apetraho ny maha andrim-panjakana mahaleo tena anareo; tompon’andraikitra feno amin’izay zavatra mety hiseho eto amin’ny firenena ianareo, ary atsaharo ny fandrebirebena saim-bahoaka”. Nambaran’izy ireo ihany koa fa tsy mila fifanarahana ara-politika amin’izao toe-draharaha iainantsika izao satria tsy ao anaty rotaka isika raha ny fahitany azy, ary tsy ekena ny tsy maty manota. Miantso ny antoko politika rehetra sy ny olom-pirenena kandida hijery sy handamina izay kandida harotsany ho kandida filoham-pirenena mba ho olona mahafeno fepetra sy azo fidiana. Azo antoka ve ny hisian’ny fifidianana madio, raha toa tsy mipetraka ny fitsipi-dalao sy fifanarahana politika mazava?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.