Politique

Berija “Ho avy izahay raha ady no ilaina”


  • Alakamisy 30 Jona 2016

Namaly bontana feno fihantsiana Ravelomanantsoa Rija na Berija taorian’ny nisavan’ny mpitandro ny filaminana ny trano fonenany eny Ambolokandrina ny talata 28 jona teo.

Tao amin’ny pejy fesibokiny no nilazany fa “Ho avy izahay raha ady no ilaina. Ary tsy hitsoaka aho”. Nambarany fa tiana hampidirina tamin’ny olana teny Mahamasina ny harivan’ny 26 jona ny tenany, antony nisavana ny tranony io talata io tamin’ny 11ora hatramin’ny 1ora tolakandro. Nanipika mazava i Berija fa tsy nijery ‘spectacle’ mihitsy ny tenany. Andriamanitra hitsara antsika rehetra. Ho avy izahay raha ady no ilaina ary tsy hitsoaka aho, hoy ity mpitarika grevin’ny mpianatra teny Ankatso ity, fony izy mbola mpianatra ho mpitsabo, ary fitarihana fihetsiketsehana efa nidirany fonja tany Tsiafahy. Noraisiny ho « fanalam-baraka » azy ny fisavana natao azy. Nitaraina koa izy fa nanjavona taorian’ny fisavana ny tranony ny volany 9 hetsy Ariary, ordinatera, « mégaphone », fakantsary ary moto scooter. Mitaky ny hamerenana ny fananany ity dokotera ity. Talohan’ity teny Ambohipo ity, dia nosavain’ny mpitandro ny filaminana ihany koa ny tranon’ireo roalahy namoy ny ainy teo amin’ny Kianjaben’i Mahamasina, ny 26 jona 2016.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT