Politique

Ben’ny tanànan’i Vakinankaratra Nosasana atidoha teny Iavoloha


  • Alatsinainy 12 Febroary 2018

An-jatony ireo ben’ny tanàna avy ao Vakinankaratra noraisin’ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina tetsy Iavoloha ny sabotsy teo. Dinika mikasika ny fampandrosoana isam-paritra moa no nifanaovana teny an-toerana, raha ny fampitam-baovao.


Ny ben’ny tanànan’Antsirabe, Paul Razanakolona, no nitondra ny tenin’ireto ben’ny tanàna ireto ary nitatitra tamin’ny ankapobeny ny olana mitranga amin’ny fitantanana ny tanàna tsirairay avy. Tany amin’ilay lafiny vina 2030 hatrany anefa no hirahira nasetrin’ny filoham-pirenena izany. Naveriny indray fa ny harin-karena anatiny (PIB) antsika amin’izao fotoana dia 416 dolara. Tanjona ny hahatonga izany ho 1000 dolara  amin’ny taona 2030. Mahatratra 5,1% ny fiakarana misy eo amin’io lafiny io hatreto ary hezahana ho tody 7% atsy ho atsy mba ho tarehimarika 2 amin’ny 2030. Hojerena avokoa ny fihariana manavanana ny lafin-tany 4 eto Madagasikara na atsimo na avaratra na andrefana na atsinanana. Fanasana atidoha, araka izany, rehefa zohina, no nitranga teny an-dapa ny sabotsy teo fa tsy mba nisy ilay antsoina hoe vahaolana fohy ezaka na fara faha ratsiny an-tenattenan’ezaka natolotra ireto ben’ny tanàna ireto.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT