Mifanenjana indray ny ben’ny tanànan’i Toamasina voalohany sy ny mpanolotsaina monisipaly ankehitriny.
Rehefa nandeha ny adihevitra nandritra ny andro vitsivitsy dia re omaly fa raikitra ny tsangan-tanana nataon’ireto farany amin’ny fangatahana fampiatoana ity ben’ny tanàna lany tamin’ny anaran’ny MAPAR ity, ka 10 nanaiky 3 nanda ary 2 vato fotsy, raha ny fampitam-baovao vonjimaika. Nialoha io, efa nisy ny adihevitra niarahan’ny Ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina momba ny fitantanam-bolan’ny kaominina satria nisy mpiasa milaza fa mangalatra ny mpitantana, ka tokony hisy ny fitoriana eny amin’ny Bianco. Re fa tsy voaloa ny karaman’ny mpiasa volana maro. Tsara ny manamarika fa efa tratran’izao ny tenany tamin’ny taona 2017, ary ny avy amin’ny MAPAR no voatonona ho nikotrika sy nitarika izany. Asa izay ho tohin’ny raharaha fa ny minisiteran’ny atitany no tokony ho afaka mandray fanapahan-kevitra farany amin’ny hanesorana na hitazonana azy rehefa tonga eny am-pelatanan’izy ireo ny tatitra momba ity fanapahan-kevitry ny mpanolotsaina monisipaly ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.