Politique

Ben’ny tanànan’Antsirabe Tena be afera mampiahiahy, hoy ny mpiasa


  • Alarobia 02 Oktobra 2019

Manomboka mivoaka tsikelikely ny fanararaotam-pahefana ataon’ny ben’ny tanànan’Antsirabe Atoa Paul Razanakolona, hoy ireo mpiasa.

 

 

Raha tsiahivina dia efa nivoaka an-gazety fa nisy fanodinkodinam-bola tsy nazava nitentina 677.000.000 Ar, izay nodidiana haveriny tamin’izany. Mbola manohy ny fitokonany ny mpiasan’ny kaominina hatramin’izao satria tafakatra ho 12 volana eo ho eo ny karama tsy voaloa, raha ny fanazavana azo. Maro ny miahiahy fa volan’ny kaominina no handoavana ny karaman’ny mpiasan’ny Radio izay an’ny ben’ny tanàna, izay tsy mba tapaka karama. Miahiahy ireo mpiasa fa ny volan’ny kaominina no iantohana ny fanorenana ny tranon’ny « Émetteur », eny Ivohitra sy ny fanamboarana ny fitaovana simba ary ny fampandehanana ny radio, ary hananana porofo izany, raha ny ambaran’ireo mpiasa. Hatramin’ny « Dreche », sakafon’ombin’ny Ben’ny tanàna, hoy izy ireo, dia amoahana vola ao amin’ny kaominina. Santionany izany fa mbola hisy ny porofo hafa asehon’izy ireo tsikelikely. Hatreto aloha dia tsy misy fandraisan’andraikitra ataon’ny mpitondra ary tombanana ho tsara mpiaro ity Ben’ny tanànan’Antsirabe ity satria raha ny zava-nisy teny amin’ny kaominina Antanimandry-Antsirabe faharoa sy ny tao amin’ny kaominina Vinaninkarena dia tsy ampahafirin’ny sora-bola voalaza ho nahodinkodin’ireo ben’ny tanàna ireo no nidirany am-ponja any Antananarivo any, kanefa ny an’Antsirabe voalohany dia miasa ara-dalàna ihany hatramin’izao ary tazana sy manomana hetsika ho fampandaniana ny kadidam-panjakana aza ny tenany ny faran’ny herinadro lasa teo iny, hoy ny mpiasa.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT