Politique

Ben’ny tanànan’Antsirabe Naato tamin’ny asany ihany koa


  • Talata 26 Febroary 2019

Taorian’i Toamasina I dia niakatra ihany koa ny maripanan’ny mpanolotsain’ny tanànan’Antsirabe I sady taitra tamin’ny torimasony koa angamba, manoloana ny fitokonan’ny mpiasa efa ho herinandro izao.

 

 

Taorian’ny fangatahan’ny mpiasa fihaonana tamin’izy ireo ny zoma 22 febroary lasa teo ka nanambaran’izy ireo ny dingana maro efa mba nataon’izy ireo tamin’ny Ben’ny Tanànan’Antsirabe I Paul Razanakolona, dia niroso tamin’ny fampiatoana ity farany izy ireo. Nankato izany avokoa ireo mpanolotsaina  14 tamin’ireo 15 tonga nivory. Fanindroany naato ny tenany satria efa nisy izany tamin’ny 2016, fa nolavin’ny teo anivon’ny Prefektiora izy tamin’izany. Tsy miova moa ny fangatahana nataon’ireo mpanolotsaina fa noho ny tsy fisian’ny fitantanana mangarahara ataon’Atoa Razanakolona Paul no anton’ny fampiatoana azy. Ankoatra izay dia efa nisy ny fandavan’izy ireo ny kaontim-pitantanana sy ny tsy fahavitan’ny fandaniana ny teti-bola hiasana. Tafakatra ho 10 volana ny karaman’ny mpiasa tsy voaloa ankehitriny. Voalaza moa, fa efa nisy raharaha nahavoarohirohy ny Ben’ny tanàna sy ny mpiara-miasa taminy amin’ny tokony handrotsahan’izy ireo vola mitentina 677.000.000 tapitrisa Ariary any amin’ny tahirim-bolam-panjakana, saingy mbola tsy naloan’izy ireo hatramin’izao, ary efa any amin’ny fitsarana ny raharaha.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT