Mihoampampana ny fitoriana tonga etsy amin’ny tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana etsy Anosy. B
en’ny tànana voafidim-bahoaka marobe no voaantso teny an-toerana ny Sabotsy teo ka anisan’ireny Rakotoarimanana Mbolatiana, Ben’ny tanàna avy amin’ny tsy miankina voafidy sy lanim-bahoaka tao Mahitsy. Kandida roa izay mpifaninana taminy nandritra ny fifidianana Ben’ny tanàna farany teo no nitory azy tamina anton-javatra miisa telo. Anisan’ireny ny fanodinkodinana masera nandatsa-bato ho azy in-droa miatoana toy ny tao Fierenana sy Mahitsy. Nolazain’ireo mpitory fa nitondra voka-pifidianana nitsoaka sy nanasosoka ny lisi-pifidianana ihany koa Rakotoarimanana Mbolatiana… Tsy nisy nanaitra ity farany moa ireo rehetra ireo satria tsy marina hoy izy. Mbola notsindriany ihany koa fa na dia nanana vavolombelona aza ny mpitory dia vavolombelona tsy marina koa izany ka tsy misy atahoran’izy ireo. Na izany aza dia naka mpisolo vava ity kandida ity izay marihina fa fianakaviany ihany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.