Betsaka ireo tsindry hazo lena mihatra amin’ ireo ben’ny tanàna eny anivon’ny kaominina ambanivohitra amin’izao.
Betsaka amin’izy ireny no tsy misy mpijery na dia misy zavatra mihatra aminy sy ny mponina ao aminy aza nefa mahalala tsara ireo zava-misy eny ifotony sy ny hetahetam-bahoaka. Misy ihany koa ireo tsy mba afaka mitantana ny vola omen’ny fanjakana ny kaominina iadidiany toy ny CLD fa tsy maintsy miandry ny solombavambahoaka sy ny senatera. Misy ireo tsy mahazo fanampiana mihitsy. Maroloha ny olana sedrain’izy ireo, antony nanosika azy 1500 mianadahy hivondrona ao anatin’ny fikambanana AKAMA ( Aingan’ny Kaominina Ambanivohitra mitambatra eto MAdagasikara). Omaly no nampahafantarina tamim-pomba ofisialy ny fijoroan’ny fikambanana izay manana tanjona marobe tokoa. Anisan’ireny ny fampandrosoana ny firenena amin’ny alalan’ny fanatsarana ny fitantanana sy ny fomba fiasan’ireo vondrom-bahoakam-paritra, ny hampitovy ny fari-pahalalana eny anivon’ny kaominina, ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny kolokily… raha ny fanazavan’ny filohany Rakotomalala Noelison, ben’ny tanànan’Amparihintsokatra, kaominina sy distrikan’i Soavinandriana Faritra Itasy. Tsiahivina moa fa mangataka fihaonana matetika amin’ny solombavambahoaka sy ny senatera isam-paritra izy ireo hahafahana mamoaka volavolan-kevitra entina hampandrosoana ny kaominina izay havadika ho lalàna.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.