Vita ny adidin’ireo solombavambahoaka nifidy izay ho solontenan’ny Antenimieram-pirenena eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI.
Tontosa teny amin’ny CCI Ivato ny talata 30 jona 2020 ny fifidianana ka voafidy tamin’izany i Benaivo Andrianaly Narcisse, iray tamin’ireo kandida niisa 24 nifaninana. Miandry ny didim-panjakana avoakan’ny filohan’ny Repoblika ny fanendrena azy ho mpikambana ao amin’ny CENI, fanamafisana ny safidin’ireo solombavambahoaka ka aorian’izay izy vao miroso amin’ny fihanianana hataony eo anatrehan’ny Fitsarana hanamarika ny fandraisany ny toerany sy ny asany eo anivon’ny CENI. Handray ny toeran’ny filoha lefitry ny CENI izay banga taorian’ny fametraham-pialan’i Rakotonarivo Thierry avy hatrany i Benaivo Andrianaly Narcisse aorian’izay.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.