Mandeha ny resaka ao Mahajanga fa mety hosoloina Pds ny ben’ny tanŕna vaovao izay lanim-bahoaka.
Telo volana mahery kely izay no nitantanan’i Mouktar Salim Andriatomanga ny tanàna ary efa maro ireo tetikasa sy ny fanatsarana nataony. Tsy mbola napetraka anefa ny samboadiny taorian’ny nandraisany ny fitantanana. Ireo olon’ny antoko HVM sy ny Pds teo aloha no tena miketrika amin’ny fanoloana azy. Raha naneho ny heviny ny tenany dia nilaza fa efa fantany ny tsaho miely ary tsy hisy izany, hoy izy. Ny minisiteran’ny fitsinjaram-pahefana aza tsy mbola nandefa taratasy. Dikany, mbola izy no mitantana ny kaominina hatramin’izao. Efa eo am-pandrafetana ireo mpiara-miasa aminy ity tompon’andraikitra ny kaomina ity ary vinavinaina amin’ny faha 13 febroary izao no hametrahana ny samboadiny. Tsiahiviana fa lany tamin’ny antoko politika Mapar ity ben’ny tanàna ity. Mitohy hatrany kosa ny asa, hoy izy fa tsy vahaolana ny fanolona mpitantana izany. Samy naneho ny heviny kosa ireo vahoaka ao Mahajanga manoloana ity tsaho miely ity fa tsy hanaiky izany fanoloana tsy ara-dalàna ny mpitantana ny kaominina izany sahady.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.