Mafanafana ny toe-draharaha politika ao an-drenivohitr’i Boeny. Lasibatra ny Ben’ny tanŕna MAPAR, Andriantomanga Mokhtar Salim
. Vaky ambatolampy ny fankahalan’ny fitondrana HVM azy tamin’ny lanonam-pitokanana ny kianja mitafon’i Mahajanga ny faran’ny volana janoary lasa teo. Nataon’ny mpikarakara toy ny tsy nisy ny Ben’ny tanàna na dia nanatrika ny lanonana aza. Ny fotodrafitrasa miorina ao amin’ny tanàna nefa izy Ben’ny tanàna indray no nailikilika. Lasa lavitra ny raharaha ankehitriny, indrindra taorian’ny fepetra vaovao napetraky ny Kaominina handoavana ny haban-tsena amin’ny alalan’ny finday, hisorohana ny kolikoly. Fantatra fa misy andian’olona voakarama hanao fihetsiketsehana amin’ity anio ity, ka ny hanalana ny Ben’ny tanàna amin’ny toerany no tanjona amin’izany. Nanamafy izany tao amin’ny pejy seraseran’ny amin’ny facebook moa ny Ben’ny tanànan’i Mahajanga Andriantomanga Mokhtar Salim fa « 5 000 Ariary isan'olona no hitarihana andian'olona higrevy rampitso (anio) sy hanala amin'ny fomban-jiolahy ny Ben'ny tanàna eo amin'ny toerany ».
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.