Politique

Ben'ny tanànan'i Mahajanga Babon'ny HVM ?


  • Alatsinainy 06 Novambra 2017

Ela ny ela, 2 taona aty aoriana vao nahazo ny samboady amin'ny maha ben'ny tanàna azy Andriatomanga Mokthar Salim lany tamin'ny anaran'ny antoko Mapar.

 

 Izy irery sisa no ben'ny tanàna tsy nahazo samboady ao anatin'ny faritanin'i Mahajanga. Ny sabotsy 4 novambra teo no napetaky ny filohan'ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao izany nandritra ny fandalovany tany an-toerana. Nangataka ny hahazoany samboady teo imason'ny mponin'i Mahajanga nandritra ny kabariny ingahy ben'ny tanàna ary teo no ho eo dia novakian'ny préfet ny didim-panjakana manendry azy ho ben'ny tanàna nialoha ny nametahana azy. Inona ary no antony tsy nametahana azy hatramin'izay ? Raha ny fanambarana nataon'ny ben'ny tanàna, mandeha hatrany ny asa na misy samboady. Tsy vao sambany no nisy ny fangatahana samboady, hatramin'ny fandalovan'ny filohan'ny Antenimierandoholona teo aloha Rakotomanana Honoré tamin'ny taon-dasa. Fivadihana loko politika no handraisan'ny mpikambana ao amin'ny antoko Mapar ny antony naneken'ny HVM hanome tampotampoka ny samboady. Nohamafisin'i Rivo Rakotovao fa nahafaly azy ny nitsenan'ny ben'ny tanàna azy teny amin'ny seranam-piaramanidina Amborovy, fehetsika izay tsy mbola nisy hatramin'izay.


Jean D

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT