Zara fa nitondra valo volana dia nahanton’ny fanjakana, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Atitany izay miahy ny vondrombahoakam-paritra tamin’ny asa maha Ben’ny
tanànan’Antsiranana ambonivohitra azy mandritra ny iray volana i Djaovojozara Jean Luc Désiré (MAPAR). Izay no vokatry ny fifanolanana teo amin’ny Ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna, ka nandraisan’ireto farany fanapahan-kevitra ny volana aprily lasa teo, mitaky ny hanalana azy amin’ny asany. Tamin’ny fiverenan’i Djavojozara Jean Luc Désiré avy niatrika ny fivorian’ireo Ben’ny tanàna an-tanàn-dehibe eto Madagasikara, natao tao Mahajanga ny faran’ny herinandro lasa teo izy no nahazo ny taratasy fampilazana ny didim-pitondrana navoakan’ny minisitera mampihantona azy amin’ny asany. Ny lefitra voalohan’ny Ben’ny tanàna no misahana ny fampandehan-draharaha mandritra izay. Nametraka taratasy tany amin’ny Tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana tao Antsiranana, mangataka fampihantonana ny fampiharana sy fandravana ny fanampahan-kevitry ny mpanolotsain’ny tanàna mitaky ny fampiatoana azy amin’ny asany ny Ben’ny tanàna Djavojozara Jean Luc Désiré, saingy nifanojo tamin’ny fitokonan’ireo mpiraki-draharahan’ny fitsarana izany, ka nihitsoka tao. Tetsy an-daniny, ny prefen’Antsiranana Banoma Arsène efa nandefa tatitra ny zava-misy tany amin’ny minisiteran’ny Atatiny, dia nanapa-kevitra avy hatrany ity farany fa mihantona amin’ny asa maha Ben’ny tanàna azy mandritra ny iray volana i Djavojozara Jean Luc Désiré.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.