Politique

Ben’ny tanŕnan’Ambatondrazaka Nodinganin’ireo ira-panjakana


  • Alakamisy 14 Jona 2012

Niteraka resabe teo amin’ny tontolo ny fiarahamonina tany Ambatondrazaka ny fanambarana nataon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria ny jeneraly Randrianazary tany Ambatondrazaka ny fiandohan’ity herinandro ity, izay milaza fa mila miala ao Ambatondrazaka tsy misy hatakandro ireo vahiny mpividy vato sarobidy satria tsy ara-dalŕna.

 Nambaran’io lehiben’ny zandarimariam-pirenena io tamin’izany fa tsy izay tombontsoan’olom-bitsy no tsy hampiharana ny lalàna efa tinapaky ny governemanta. Mahatsiaro voatohintohina tamin’io fanambarana io ny ankamaroan’ny mponina any Ambatondrazaka ka nitondra ny fitarainana tamin’ny Ben’ny tanàna, Andriamanirison Jacques. Ity farany indray avy eo no nanao antso tamin’ny onjam-peo tsy miankina iray tao an-toerana mba hijerena izay tena tombontsoan’ny vahoaka. Tsy miditra amin’ny resaka fanakatonana ny fitrandrahana any Didy aho, hoy ny Ben’ny tanànan’Ambatondrazaka fa mikatsaka kosa izay tombontsoa ho an’ny vahoaka iadidiko. Raha misy marina izany fandroahana ny vahiny mipetraka eto amin’ny faritra iadidiko, nahoana no tsy mba misy taratasy mazava fa toa am-bava sy tsy misy fanajana ny antanatohatry ny fitantanan-draharaham-panjakana ? Fanaovana tsinontsinona ny vahoaka monina ao Ambatondrazaka ny fandraisan’ny Ben’ny tanàna io fihetsika ataon’ny fitondrana foibe io.

Naneho ny hafaliany tamin’io fanehoan-kevitra nataon’ny Ben’ny tanàna Andriamanirison Jacques io ireo rehetra nahazo tombontsoa tamin’ireo vahiny nipetraka tao Ambatondrazaka toy ny mpikarakara tokantrano sy ny mpamily fiara ary ny mpivarotra sy ny tompon-trano. Mafampana ihany, araka izany, ny ao Ambatondrazaka vokatr’io fanalana ny Srilankey any an-toerana io. Ny tsy azo lavina aloha dia hampahazo vahana indray ny kolikoly izao zavatra ataon’ny fitondrana izao, ka izay angamba no tsinjo ny ingahy Ben’ny tanàna ka mahatonga azy mijoro manambara fa ny tombontsoan’ny vahoaka no katsahiny.

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT