Politique

Ben’ny Tanàna Miray Tsy hiala raha tsy fifidianana


  • Zoma 25 Novambra 2011

Tapaka tamin’ny fivoriana notontosain’ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna “Ben’ny tanàna miray” fa tsy hanaiky ny fametrahana PDS ny Ben’ny tanàna mpikambana ao amin’izany.

 Mampatsiahy ny lalàna velona sy ny fanambarana nataon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay manambara fa azo itarina ny fe-potoam-piasan’ireo olom-boafidy raha ilaina izany. Noho izany dia tsy mankasitraka ny fanapahan-kevitry ny fitondrana ankehitriny izy ireo. Raha ny lalàna mantsy dia roa volana ihany no tokony hipetrahan’ny PDS eo amin’ny fitondrana ny Kaominina. 15 andro mialoha ny fifidianana kosa ny Ben’ny tanàna no tokony hametra-pialana. Manoloana ny fifaranan’ny fe-potoam-piasan’ireo Ben’ny tanàna ny 15 desambra ho avy izao anefa dia mangataka ny hikarakarana ny fifidianana ary vonona amin’izany izy ireo. Tsy manaiky ny hisian’ny PDS kosa anefa izy rehetra na dia vonona hametra-pialana mialoha ny fifidianana aza, saingy kosa tsy hiala amin’ny toerany raha miziriziry amin’ny fametrahana PDS ny fitondrana. Noresahina tamin’izany ihany koa ny sata mifehy ny Ben’ny tanàna sy ny maha olom-boafidim-bahoaka azy.
Luciana

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT