Politique

Ben’ny tanŕna - Lehiben’ny Faritra Vaky ny ady ao Ambatondrazaka


  • Alarobia 11 Janoary 2012

Vaky bantsilana nandritra ny hetsika tolo-tanana nokarakarain’ny fiadidiana ny Kaominina Ambatondrazaka ny faran’ny herinandro teo ny disadisa misy ao amin’ny Faritra sy ny Kaominina Ambatondrazaka ambonivohitra.

 Nambaran’ny Ben’ny tanàna Andriamanirison Jaques fa efa tsy zaka intsony ny tsindrihazolena sy ny fanaovana tsinontsinona ny vahoaka ataon’ny Fiadidiana ny faritra ny ao amin’ny Kaominina Ambatondrazaka. Betsaka ireo asa fanatsarana ny Kaominina Ambatondrazaka no tsy mandeha, araka ny tokony ho izy. Voalohany amin’izany ny fanamboarana ilay lalana rarivato ao an-tampon-tanàna izay novatsian’ny Faritra Ile et Vilaine (Frantsa) vola 300 tapitrisa Ariary nefa dia tsy vita hatramin’ny farany sady vao mainka manaratsy ny tanàna. Ny Faritra no nitantana ny vola rehetra tamin’ny asa. Ny Kaominina hatrany anefa no nahazo tsiny avy amin’ny asa tsy nandeha tamin’ny laoniny.

Torak’izany koa ny mahakasika ilay Complexe sportif izay novatsian’ny ministeran’ny fitsinjaram-pahefana vola kanefa dia tsy vita hatramin’izao. Rehefa misy ny zavatra tanterahan’ny Faritra ao amin’ny Kaominina Ambatondrazaka dia tsy mba misy ny fampahafantarana na fiarahana mandinika izay zavatra hotontosaina fa tonga dia manapa-kevitra samirery izy ireo. Efa ela no narisarisa ny fiaraha-miasan’ny Kaominina Ambatondrazaka sy ny fiadidiana ny Faritra Alaotra Mangoro fa ny sabotsy teo izany vao vaky ambatolampy. “Ny vahoaka no mampalahelo ahy raha lasa sorona noho ny tsy fifankahazoana noho ny foto-kevitra tsy mitovy”, hoy ny Ben’ny tanànan’Ambatondrazaka Andriamanirison Jaques. Anisan’ny mikaikaika amin’ny fomba fiasa ny eo anivon’ny fiadidiana ny Faritra io koa ny Distrika sy ny Talem-paritra maromaro, saingy mbola miandry izay ho fiovana fomba fitantanana amin’izao taona vaovao izao izy ireo. Ho an’ny Ben’ny tanàna Andriamanirison Jaques manokana moa dia aleony halan’andriana toy izay halam-bahoaka. Efa ampy ny niaretako tao anatin’ny fotoana ara-dalàna nitantanako ny renivohitra Ambatondrazaka izay. Aleo haboraka ho fantatry ny rehetra ny tena marina mialoha izay fifidianana hotanterahana eo, mba hahafantaran’ny olona izay tena mitsinjo vahoaka, hoy izy.

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT