Politique

Ben’ny tanàna Fandriana Naaton’ny ministeran’ny atitany amin’ny asany


  • Zoma 23 Martsa 2012

Tao afaran’ny famoahan’ny filankevitry ny tanàna ao amin’ny Kaominina ambonivohitra Fandriana, Faritra Amoron’i Mania fanapahan-kevitra amin’ny fampiatoana ny Ben’ny tanàna Rajaonarisina Georges ka nankatoavin’ny Lehiben’ny Distrikan’i Fandriana noho ny fahabangan-toerana nandritra ny enim-bolana dia nivoaka tamin’ny alatsinainy 19 martsa lasa teo ny taratasy milaza sy manamafy izany fampiatoana izany avy amin’ny Minisiteran’ny Atitany.

 Mitondra ny laharana faha-4351/2012 io fanapahana io nosoniavin’ny tompon’andraikitra ao amin’ity Ministera ity. Ho fampiharana ny lalàna mifehy ny Kaominina eto Madagasikara mitondra ny laharana faha-94-008 tamin’ny 26 Avrily 1995, andininy faha-60 dia ny Lefitra voalohany no mitantana vonjimaika ny Kaominina mandra-pisy fanapahana vaovao. Naneho hafaliana amin’izao fanapahan-kevitra izao ny vahoaka ao Fandriana. Marihina fa efa nandray ny asany nialoha izao fanapahan-kevitry ny ministeran’ny atitany izao Atoa Andriamandraivola Claude Gérmain, Lefitra voalohany ny Ben’ny tanàna ao Fandriana rehefa nankatoavin’ny Lehiben’ny Distrika tany an-toerana. Ny tsy fandehanan’ny jiro ao Fandriana efa ho roa volana izao sy ny faharatsian’ny lalana no mbola olana fototra iainan’ny mponina ankehitriny.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT