Politique

Ben’ny tanàna any Boeny Mitaraina amn’ny fihetsik’ireo mpitandro ny filaminana


  • Zoma 05 Febroary 2016

Nitondra fitarainana tamin’ny lehiben’ny Faritra Boeny Said Jaffar ny Fikambanan’ny Ben’ny Tanàna ao Boeny tamin’ny alalan’ny

 

 Filohany sady Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Ambonivohitra Ambatoboeny, Rakotonandrasana  Jean Valérien nohon’ny afitsoky ny mpitandro ny filaminana sasany, izay manao tsinontsinona ny naman’izy ireo any amin’ny toerana iadidiny avy.

Ohatra amin’izany ny fihetsika sy fiteny feno fanimbazimbana nataon’ny Chef de Poste an’ny Zandarimaria tamin’ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Ambanivohitr’i Madirovalo, Distrikan’Ambatoboeny, ny 27 oktobra 2015 lasa teo raha nisy fanamarihana eo amin’ny fomba fiasa nentin’ity farany. Vao 3 andro talohan’io, ny 24 ôktôbra 2015, anefa no nametrahana ny samboadin’Ingahy “Maire”.

Torak’izay koa ny nitranga tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ankaraobato, ao Marovoay tamin’iny taona lasa 2015 iny, hoy ihany Filohan’ny Fikambanan’ny Ben’ny Tanàna. Satria raha niangavy azy ny Lehiben’ny Distrikan’i Marovoay mba hitondra hazo “chevron” anankiroa hanaovana fanaka ao amin’ny Birao dia nosakanan’ny polisy teny an-dalàna ka notazonina iray andro maninjitra tao amin’nyKaomisaria ny tenany. Nanome baiko ny Lehiben’ny Distrikan’i Marovoay ny Kaomisera mba hakany amin’ny kaomisaria fa tsy nety ity farany. Ny mifanohitra amin’izay no izy hoy ity nantsoina, hoy ihany ny fitantaran’ity Filohan’ny Fikambanan’ny Ben’ny Tanàna ity.

Mangataka ny fanesorana tsy misy hatak’andro io tompon’andraikitry ny filaminana io ao Ankaraobato ireto Ben’ny Tanàna ireto satria efa tsy mipetraka intsony ny fiaraha-miasa taorian’izay eo amin’ny roa tonta.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT