Ankoatry ny asa fanaovan-dalŕna dia andraikitry ny Antenimierandoholona koa ny fiahiana sy ny fisoloana tena ireo Vondrom-bahoakam-paritra manerana ny Nosy .
Antony nahatonga ireo solontenan’’ireo Ben’ny tanàna miisa dimy ao antin’ny distrikan’i Mampikony Faritra Sofia notarihin’ Atoa TAFARA Lucien , tonga nitsidika ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rakotomanana Honoré tetsy Anosikely omaly alakamisy 5 janoary maraina izany. Misedra olana ireo kaominina miisa dimy ao anatin’ ny Distrikan’i Mampikony ireo noho ny firoborobon ‘ny fampidirana entana avy any ivelany tsy manaraka ny fenitry ny fifaninanana ka mety hamono ny orinasa Malagasy mpamokatra paraky any an-toerana, andaniny koa ny tsy fahazahoana ireo kaominina ireo ny tamberim-bidy avy amin’ireo vokatra mivoaka avy any an-toerana mba hanamboarana sy hanorenana fotodrafitr’asa fampandrosoana ho an’ny mponina . Velon-taraina noho izany ireto solontena ireto ka mila tan-tsoroka avy amin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona amin’ny famahana ireo olana ireo. Nanome toky ity farany fa hampita izany any amin’ny tompon’andraikitra mpanatanteraka tsirairay avy ho famahana ny olana
.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.