Politique

Beanjara Paul Mialŕ rehefa tsy hanova


  • Talata 08 Mey 2012

Efa ny mpampianatra rehetra manerana an’i Madagasikara mihitsy izao no mampiato ny fampianarana, hoy ny CT Beanjara Paul.

 Te hampianatra izy ireo fa efa tsy tanty sy tsy zaka intsony ny fahoriana mahazo ny mpampianatra ary efa ela, am-polony taona no niandry am-pahendrena ny fijerena ny zony. Malahelo izy ireo tamin’ny teny nataon’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena ireny. Fiangaviana tsotra no tokony ho nataony, hoy ity CT ity, hoe io no ao anaty kitapo ka andeha hiasa ary hotohizana hatrany koa ny dinika ry zalahy. Fa ireo matoa mpampianatra dia olona misaina ireo ka fantany ny zavatra ho vitan’ny fanjakana izao ary fantany ny mbola miandry kely. Ho anay ato amin’ny voamieran’ny fanabeazana eto amin’ny Kongresin’ny tetezamita, ny eritreritra dia ilaina ny vonjy rano vaky ataon’ny tetezamita.

Ny governemanta dia an’ny rehetra ka maninona moa raha samy manome iray miliara ireo ministera 30 dia efa mahazo 30 miliara anie ka mety ho lasa 15% dia ao. Ary avy eo atao mazava ny fotoana hanamboarana ny manaraka rehetra. Izay no fanjakana miahy vahoaka fa tsy manao bodongerona. Fa ny vahaolana maharitra dia ny fampitoviana ny marikaraman’ny mpiasam-panjakana rehetra. Izay zakan’ny teti-bola no atao fa raha tsy izay dia hitatra ohatra ny sima misioka izy ity ka mety hivadika zavatra hafa. Tsy mbola tara izao fa rehefa nanaiky hanova ianao dia ny zavatra tsy vitan’ny sasany no atao fa rehefa tsy hahavita an’izany dia mametraha fialana !

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT