Antoky ny fisian’ny fitoniana eo anivon’ny mpiasam-panjakana ny fampitoviana lenta ny marikarama araka ny antokon’asa misy azy ireo, hoy i Beanjara Paul filoha lefitry ny kaomision’ny asam-panjakana sy ny asa eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita.
Azo ambara fa tena fampihavanam-pirenena eo anivon’ny mpiasam-panjakana mihitsy io fampitoviana lenta azy io, hoy izy. Tsy mangina tsy akory izahay eo anatrehan’ny zava-misy ankehitriny fa miandry ihany koa ny fanatanterahana izany. Efa nampanantena ny hijery akaiky an’io koa moa ny minisitra tomponandraikitra ankehitriny. Raha ny amin’ny fanehoan-kevitra nivantana nataony kosa taorian’ny kabary nataon’ny filohan’ny FAT teny Ambohitsorohitra ny talata 7 febroary teo dia nilaza i Beanjara Paul fa mbola hita soritra eo amin’ny andaniny sy ny ankilany ny hevitra hitana fahefana sy ny te hamerina fahefana eo amin’ny fiainam-pirenena malagasy amin’izao fotoana izao. Ny iray naka fahefana, ny iray nesorina teo aminy ny fahefana, araka ny fahitako azy, hoy izy.
Tokony ho teo daholo tamin’iny hetsika 7 febroary teny Ambohitsorohitra iny ireo lehibena andrim-panjakana rehetra mba ho fitoniana satria na TGV na TIM ireny olona maty ireny dia Malagasy. Ka mba ahafantarana fa ny alahelo, ny fahavoazana, ny fanabeazana dia itambarana. Koa raha miteny ny anankiray ka tsy eo ny sasany dia tsy hisy mihitsy ny fitoniana. Raha izaho no teo amin’ny toeran’i Mamy Rakotoarivelo dia tonga teny aho amin’ny maha filohana andrim-panjakana ahy ka na dia tsy tiako aza ny kabary teo izany no atao hoe olona mpanao politika marina. Ny zavatra hita dia naherihery vaika ihany ny kabarin’ny filohan’ny tetezamita tamin’iny talata iny. Nisy ihany ny fihantsiana araka ny filazan’ny sasany. Fa ny marina moa sarotra ny mitady azy ary somary entim-po koa rehefa vory vahoaka tahaka ireny ka ny zavatra tokony nahitsy fotsiny dia hoe : n’iza n’iza manao ratsy, n’iza n’iza mamono olona dia tsy tokony hahazo famotsoran-keloka fa anjaran’ny vahoaka ny manao izany fa tsy anjaran’ny governemanta.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.