Politique

Be loatra ny ahiahy Ahiana hikorontana ny fifidianana


  • Alatsinainy 16 Septambra 2019

Hita taratra amin’izao filatsahan-kofidiana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna izao ny tsy fahatokisana intsony ny hisian’ny lalao madio.

 

 

Ny takarivan’ny 12 septambra dia kaominina an-jatony maro no voalaza fa tsy nisy kandida, kinanjo lasa feno tampotampoka tao ny isa satria 6129 ny isan’ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana voaray teny anivon’ireo OVEC (Organe de Vérification et d'Enregistrement des Candidatures) miisa 119 manerana ny Nosy, hoy ny tatitry ny CENI. Ny ampitson’iny dia nolazaina indray fa 21, ary ny farany, dia hoe nisy kandida daholo. Ny kaominina Antsangasanga sy Amparihitsokatra samy ao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka ihany no voalaza fa tsy nisy kandida mpanolotsaina kaominaly. Miisa 4 609 ireo antontan-taratasy firotsahan-kofidiana voaray, izay mitsinjara amin’ireo kaominina 1 693. Tapitra tanteraka omaly ny 72ora hanamarinan’ny OVEC ireo antotan-taratasy voara ka hivoaka amin’ny 24 septambra ny lisitra ofisialin’ireo kandida nahafeno fepetra. Na efa nisy fihemorany aza ny fifidianana taorian’ny tsy naharaikitra ilay tolo-kevitra hanatanterahana ny fifidianana taty amin’ny 28 oktobra, dia tsy navitrika tamin’ny fandraisana anjara ny kandida. Raha hiverenana dia efa taty amin’ny tapaky ny volana aogositra vao tena ofisialy ny hananterahana ny fifidianana, izay nahakely ny fotoana niomanan’ireo kandida. Teo ihany koa ny resa-bola, izay avo roa heny tamin’ny tolo-kevitra teo aloha. Ilay fahafenoan’ny kandida manerana ny Nosy tampoka ihany koa toa hafahafa sy mampanahy ihany. Mampanahy sy tsy azo antoka firy intsony ny fifidianana eto Madagasikara niainga tany amin’ny fifidianana filoha, solombavambahoaka, ary izao ben’ny tanàna izao, izay mampitotongana ny taham-pandraisana anjara na ho an’ny kandida na ho an’ny olom-pirenena mpifidy. Efa otrik’ady eto amintsika io satria misy hatrany ny mahatsapa ho niharan’ny tsy rariny saingy voatery nandefitra noho ny mety ho fahatsapana fa atody miady amam-bato. Ireo heverina ho tompondakan’ny mikimaky ara-politika kosa toa vao mainka mahazo vahana sy mahatoky tena. Na ho ela na ho haingana, mety hipoaka ihany ihany io rehefa tena feno ny kapoaka, ka ho savorovoro no hiafarany.

 

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT