Politique

Barikadimy Toamasina Nitokona ireo mpianatra lalŕna


  • Zoma 09 Septambra 2011

Mafanafana indray ao Barikadimy Toamasina ao. Mampiaka-peo ny mpianatra, tonga hatrany amin’ny fitakiana ny fialan’ny “Chef de département Droit” mihitsy ny raharaha ankehitriny.

 Araka ny fantatra dia nisy mpianatra 24, avy amin’ny sampana lalàna tsy navela hiatrika fanadinana ny alarobia teo fa hoe tsy nahaloa ny saram-pisoratana anarana sy tsy nahavita fisoratana anarana ihany koa, ka niteraka fitokonana omaly. Ireo mpianatra lalàna taona voalohany sy faharoa ireto nitokona ireto. Nanampy azy ireo koa ireo namany ao amin’ny taona faha-03 sy faha-04 ary nisy koa ny avy amin’ny sampam-pianarana hafa. Tsy hisy fanadinana handeha sy fianarana hihodina eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina raha tsy mivaha izao olana izao, hoy izy ireo.

Efa nisy kosa anefa ny dinika nifanaovan’ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina, Horace Gatien, sy ny solontenan’ny mpianatra ary ireo mpandraharaha voakasiky ny raharaha. Araka ny fantatra dia niisa 85 ireto mpianatra tsy nahavita fisoratana anarana sy tsy nahaloa ny saram-pidirana ireto. Nisy anefa ny fifanazavana ka nekena ihany ny mpianatra 61 hiatrika fanadinana, fa ireto 24 ambiny ireto no lasa olana. Raha ny fanazavana sy ny porofo nentin’ny mpianatra ireo anefa, dia sady nahaloa ny saram-pidirana sy nahavita fisoratana anarana ara-dalàna izy ireo nefa izao mbola niharan’ny antsojay izao. Mbola mihenjan-droa ny tady amin’ny fotoana nanoratana ny vaovao, ka ho hita eo ny fivoarany, satria efa misy mitarika amin’ny resaka vatsim-pianarana koa ny raharaha izao.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT