Politique

Baomba teny Mahamasina Ny Frantsay no tao ambadika, hoy i James Ratsima


  • Alakamisy 30 Jona 2016

Ny frantsay no tao ambadik’ireny zava-nitranga teny Mahamasina ny harivan’ny 26 jona ireny ka nahafatesana olona telo sy naharatra olona manodidina ny 91, hoy ny profesora James Ratsima omaly.

Porofon’izany ny nilazan’ny ambasaodoro frantsay miasa sy monina eto amintsika tao amin’ny lapan’ny tanàna fa hanampy antsika ara-pilaminana izy ireo. Midika izany fa ny tanan’ny frantsay no manao io politika maloto avo lenta eto amintsika io. Raha asa fampihorohoroana iny niseho iny dia ry zareo no nampiditra izany, hoy hatrany i James Ratsima. Raha mpanohitra kosa anefa no nanao izany dia mbola ny tanany ihany no tao. Efa hitantsika ny zavatra nataon’ny Frantsay tany Afrika izay nahitana azy ireo avokoa. Io masoivoho frantsay miasa sy monina eto amintsika io no nandeha  tany Libia  nanongana an’i Kadhafi izay tena fototry ny fanonganam-panjakana eran’ny tanàna mihitsy.  Sarotra am-piadiana mantsy ny vahoaka Malagasy ka raha mifandramatra isika dia hampidirin’izy ireo  moramora ny tafikany izay efa nambarany ombieny ombieny fa ho avy hanampy ary  hilazany ihany koa fa mbola voafehiny tanteraka i Madagasikara. Ho an’ireo tafika manokana dia  notsindriany fa midika ho fitavozavozan’izy ireny iny zava-nitranga teny Mahamasina iny. Tsy ry zareo anefa no nampiditra ny Silamo na nanapoaka ny baomba teny Mahamasina nefa izy ireo no misolo vaika ny akalana. Ny mampalahelo dia toerana mpanao politika ny an’ireo mpanao politika ka rehefa voky ny paosiny avy nandroba dia lasa mitsoaka any ampita izy ireo  fa ny tafika eo foana satria avy amin’ny vahoaka. Mikasika ny baomba manokana dia nambarany fa tena grenady iny, araka ny  filazan’ny praiminisitra teny am-piandohana saingy   matahotra ny tsy afaka handray ny frankofonia izy ireo ka afinafeniny ny tena marina.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT