Nitohy teny Ambolokandrina, omaly talata 28 jona, ny fisavana trano nataon’ny mpanao famotorana ny fipoahan-javatra nahafatesana olona telo sy naharatrana 86 hafa teny Mahamasina ny harivan’ny 26 jona, andro nankalazana ny faha-56 taona nitsingerenan’ny fahaleoventenam-pirenena.
Ny trano fonenan-dRavelomanantsoa Berija, anisan’ny mpitarika hetsiky ny mpianatra teny Ankatso fony izy mbola mpianatra ho dokotera no nosavaina. « Fiahiahiana » no voalaza fa anton’ny fisavana. Naharitra adim-pamantaranandro efatra, teo anelanelan’ny tamin’ny iraika ambin’ny folo antoandro hatramin’ny telo ora tolakandro no nanatanterahan’ny mpitandro ny filaminana ny fisavana. Tsy tao an-toerana ny tompon-trano fa ny anabaviny no tao. Niaiky i Berija fa teny Mahamasina niaraka tamin’ireo namany, ao anatin’ny fikambanana tarihiny nanao ny « Fitoniana Tour » nandritra ny matso miaramila ny 26 jona. Nilaza izy fa niara-paly tamin’ireo mpitarika solontenan’ny fikambanany teny amina trano fisakafoanana eny Ambohipo, ny tolakandron’io 26 jona io nanomboka tamin’ny efatra ora tolakandro ka hatramin’ny telo ora maraina. Noraisin’i Berija fa « fanalam-baraka » azy ny fisavana ny tranony. Nitaraina koa izy fa nanjavona taorian’ny fisavana ny tranony ny volany 9 hetsy Ariary, ordinatera roa, « mégaphone » roa, fakantsary ary moto scooter. Mitaky ny hamerenana ny fananany ity dokotera ity. Talohan’ity teny Ambohipo ity, dia nosavain’ny mpitandro ny filaminana ihany koa ny tranon’ireo roalahy namoy ny aina teo amin’ny Kianjaben’i Mahamasina, ny 26 jona 2016.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.